Tamin’ny fiandohany, ny Krismasy dia vanim-potoana iray ao anatin’ny taona izay midika fitiavana sy fizarana. Mandritran’io fotoana io dia samy mifanolotra fanomezana manokana ho an’ny olon-tiany ny olona rehetra. Fa ho an’ny FVKFM kosa, hatramin’ny taona 2007, dia midika fanoloran-tena sy fandavan-tena. Toy ny isan-taona, ny Fiangonana dia nanatontosa Noelim-pifaliana sy miavaka ho an’ireo marary eo anivon’ny hopitaly. Fomba iray hanehoana fitiavana an’ireo olona rehetra mijaly tamin’ny alalan’ny fihetsika tsotra izany.
Toy ny mahazatra, ny kely sy lehibe dia samy tonga nanatrika ny
fety ary feno dia feno ny efitra. Ny sasany dia variana tamin’ny feon’ny
Chorale, ny hafa indray dia variana tamin’ny dihy nataon’ireo mpikambana teo
anivon’ny Groupe des Hôpitaux, nefa araka ny mahazatra dia niavaka foana ny
Groupe Caleb noho ny fahazotoany be dia be. Ny tanora teo anivon’ny Nouvelle
Génération ary ireo ankizy tao amin’ny EBI ihany koa dia samy afaka nandray
anjara tamin’ity fety ity, niaraka tamin’ireo mpanao hatsikana kely.
Ireo fanomezana tamin’ity taona ity dia tena betsaka tokoa nefa
vita izany niaraka tamin’ny fanampian’ireo olona maro tsara sitra-po,
pharmacies, olon-tsotra nefa indrindra ireo mpikamban’ny FVKFM, izay tsy
mitsahatry ny manolo-tanana an’ireo sahirana. Noho izany, ny fanafody dia
betsaka ary ny solontenan’ny hopitaly dia nanambara fa izany dia hanova tokoa
ny tontolo andron’ny marary izay tsy manana fahafahana sy tohana. Nefa ny
Aumônerie ihany koa dia nahazo fanafody, sakafo isan-karazany sy bodofotsy
maro.
Raha fehezina dia samy nahita ny tsara ho azy ny tsirairay ary fianakaviana
50 tena sahirana dia afaka nandray kitapo feno sakafo sy kojakoja fidiovana
miampy bodofotsy ary ny sisa hafa dia afaka nahazo « goûter » kely
toy ny isa-taona. Amin’ny herintaona indray mihaona ! Samy hotahian’Andriamanitra
isika rehetra !