“Tiavo
Andriamanitrao mihoatra noho ny zavatra rehetra, ary tiavo ny namanao tahaka ny
tenanao”. Io no tena anton’ny fampisehoana goavana nokarakarain’ny fiangonana
FVKFM, izay nampatsiahivin’i Eveka Antonio Lobato, tompon’ andraikitra amin’ny
asa fitoriana eto Madagasikara, teo am-panombohana ny fampisehoana ny Sabotsy
faha-31 Martsa 2012 lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina.